Seha-pihariana kakao: hampirisihina ny fampiroboroboana azy

Lalam-pihariana anisan’ny nahitantsika tombontsoa ny kakao manomboka any amin’ ny tantsaha ka hatrany amin’ ny mpanondrana. Nandrom­baka ny vokatra tsara kalitao indrindra maneran-tany (Cacao fin 100%) i Madagasikara, vao tsy ela. Tsy nitsaha niakatra ihany koa ny vidin’ny kakao noho ny tinady iraisam-pire­nana. Na izany aza, tokony jerena ny fanitarana ny voly any amin’ny faritra Atsinanana sy Atsimo Atsinanana mba hampitomboina ny vokatra. Mila jerena ny fanavaozana ny voly efa antitra izay tsy ma­nome vokatra ilaina intsony. Ao koa ny fampanarahana ny fepetra sy ny fenitra takin’
ny varotra iraisam-pirenena indrindra ny tsena eoropea­nina. Ny fampirisihana ny fandraisan’anjaran’ny mpiantsehatra kakao sy sokola malagasy amin’ireo hetsika iraisam-pirenena sy ny fampihaonana azy ireo. Eo koa ny ady amin’ireo bibikely mpanimba voly. Ni­voitra izany nandritra ny fivorian’ny komity nasionaly kakao (CNC) ny zoma teo, tetsy Ambohidahy. Nandray anjara tamin’ity fivoriana ity ny rafi-panjakana sy ny mpikambana avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa H.

Partager sur: