Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 25 novambra teo, teny amin’ny kianjan’Itaosy ny taom-pikatrohana 2023-2024, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja Volley-ball. Tonga maro namaly ny antso ireo klioba. Hetsika maro toy ny filatroana, fifaninana Tik Tok, Zumba ary ny « Volley Spectacle » no nitranga nandritra izany.
Misongadina tanteraka ao amin’ny klioba Al Kawkab Arabie Saoudite, Andriamahitsinoro Carolus, Malagasy mpilalao baolina kitra. Nahatafiditra baolina roa, nitondra ny fandresen’izy ireo nanoloana an’i La Rayyan ity mpilalao ity. Marihina fa nisaraka 2 no ho 1 ny fihaonana teo amin’ny AL Kawkab sy ny La Rayyan.
Notanterahina omaly, tany Italie, ny andro faha-13, fiadiana ny ho tompondakan’i Italia. Anisan’ireo lalao tena nandrasan’ny maro ny fihaonana teo amin’ny Juventus sy ny Inter Milan. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tamin’izany. Ny Juventus no nahatafiditra baolina voalohany, tamin’ny alalan’i Vlahovic, 27 minitra. Nosahalain’i Lautaro Martinez izany, enina minitra taorian’io.
Niampy indray ny vokatra ratsy ho an’ny ekipan’ ny Olympique Lyonnais, ny alahady lasa teo. Resin’ny Lilles tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo nandritra ny andro faha-13, fiadiana ny ho tompondakan’i France “Ligue 1”. Marihina fa ny OL no mitana ny laharana farany amin’izao fotoana izao.