TARATRY ny KANTO

Hamoaka ny “Mirantsana” ry Babai Lugu. Hi­ra vaovao hivoaka anio izy ity, raha ny nambaran’i Goul, lehiben’ny tarika. Amin’ireo “plateformes” fividianana hira efa mahazatra, toa ny Spotify sy ny Deezer no azo jifaina sy henoina izany. Anisan’ireo hira handrafitra ny rakikira vaovao, izay hivoaka tsy ho ela io hira io.
Tapitra ny tapakilan’ilay Tovo J’Hay sy ‘Zay. 7 andro monja no nivoahany, dia lany tanteraka ireo karazana tapakila rehetra amin’ilay fampisehoana “Mbola hafa”, hotontosaina ny alahady 3 desambra izao, etsy amin’ny CCI Ivato. Efa ela no tsy nisy ny fiarahan’ny tarika ‘Zay sy Tovo J’Hay, ka rariny raha nihazakazaka tamin’ny tapakila ireo mpankafy.
“Sitabaomba”. Nahazo ny Prix du film vert, nandritra ny  27ème édition des Oeillades na « le Festi­val du film francophone d’Albi », ny sarimihetsika « Si­ta­baomba », notontosain’i Lova Nantenaina. Fanin­droany amin’izao ity sarimihetsika ity no nandrombaka amboara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
“Kidinike”. Tontosa omaly, teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny « Kidi­nike », izay valandresaka niresahina ny lalan’ny sary pika nakany amin’ny sarimihetsika, niarahana tamin’i Raymond Rajaonarivelo, mpanatontosa sarimihetsika, sy i Rijasolo, mpaka sary.

Partager sur: