VAOVAO TAMBATRA

Nahazo fitaovana ireo mpanjono any amin’ny distrikan’i Soalala, faritra Boeny, omaly. Anisan’izany
ny salotra vonjy aina miisa 70, harato sy ny kojakoja
miaraka aminy, mitotaly 50. Nilaza ny minisitry ny Jono, Mahatante Paubert, fa santatra ihany ireo, fa mbola hisy ny fanampiana hafa.

Mitotaly 34 500 ny tanora any amin’ny faritra Atsinanana nahazo fiofanana tamin’ny fandaharanasa Formaprod. Niofana momba ny fambolena ny 12 680 tamin’izy ireo, nahazo fitaovana ny 2 180, ary ny 7 840 nofanina sady notohanana, ny 7. 290 teny amin’ny Sekoly an-tsaha. Miisa 4 510 kosa ny nahavita tetikasa madinika notohanana ary efa mahaleo tena, ankehitriny.

Mirefy 4 000 ha ny faritr’ala tantanin’ny VOI Miaradia, any Vohibato, ao anatin’ny tandavanala Cofav, Matsiatra Ambony, ahitana mpikambana 360. Noha­vao­zina ny 25 novambra teo, ny fitantanan’izy ireo izany mandritra ny 10 taona manaraka indray.

Partager sur: