Nigadona voalohany any Nosy Be, ny sabotsy 25 novambra 2023 teo, ny fiaramanidina mitondra mpizahatany « charter », mivantana avy any Bolgaria. Nitsena izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fizahantany, Joel Randriamandranto, sy ny manam-pahefana any an-toerana. Niantoka ity zotra mivantana ity ny kaompania Flight Bulgaria, nitondra mpizahatany miisa 175. Miisa fito kosa ny mpiasa tao anatiny.
Nisy ny fanondrahana rano ny fiaramanidina, « Water salute », araka ny fomba fanao rehefa misy fiaramanidina migadona voalohany ao amin’ny toerana iray.
Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny minisitera, hisarihana mpizahatany avy any Eoropa Atsinanana ity fahatongavan’ ny mpitsidika avy any Bolgaria ity. Nandritra ny roa taona ny namolavolana azy, dingana vaovao amin’ny fanapariahana ny tsenan’ny fizahantany sy ny firenena hitsidika an’i Madagasikara izany. Anisan’ny efa ahitana zotra mivantana mitondra mpizahatany « charter », ny mampitohy an’i Nosy Be sy Italia.
Tsiahivina fa miisa 1 000 000 ny mpizahatany kendrena ho avy aty amintsika amin’ny taona 2028.
Njaka A.