Hampiantrano ny fifaninanana afrikanina “African School Football Championship”, taranja baolina kitra, natokana ho an’ny mpianatra, i Harare Zimbabwe. Hotanterahina ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra izany, araka ny tapaky ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Kaonfederasiona afrikana ny baolina kitra (CAF). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ireo kilonga malagasy. Sambany no hiatrika izany i Madagasikara.
Tsiahivina fa efa nahavita ny fifaninanam-pirenena, hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny vaomiera misahana ny baolina kitra ho an’ny tanora eo anivon’
ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny 28 oktobra ka hatramin’ny 2 novambra lasa teo. Miandry ny lisitra sy ny ho fanombohan’ny fanazaran-tena ary ny fampivondronana ny rehetra, ankehitriny.
Hiady lohany amin’ity “African School Football Championship” ity, ireo firenena 11 aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa) dia i Zimbabwe, mpampiantrano, Angola, Botswana, Eswatini, Malawi. . Eo koa i Mozambique, Namibie, Seychelles sy Afrika Atsimo ary Zambie, miampy an’i Madagasikara.
Raha ny sokajin-taona ho an’ny mpandray anjara, natokana ho an’ireo ankizy mpianatra latsaky ny 13 taona ho an’ny lehilahy raha latsaky ny 15 taona ho an’ny vehivavy. Hisolo tena ny faritra Cosafa, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay ho tompondaka eo.
Tompondaka