Bad : afaka mitondra ny 14%-n’ny PIB ny harena an-kibon’ny tany

Tsy mitsaha-mitombo ny filana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’ny harena an-kibon’ny tany. Afaka mitondra ny 14% amin’ny Harinkarena faobe eto amintsika ity sehatra ity.

Namoaka ny tatitra 2023 mikasika an’i Madaga­si­kara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Voalaza fa maro ny otrikarena ambanin’ny tany ananantsika, amin’ny vatosoa sarobidy sy indostrialy. Maha­tratra ny 1,5% amin’ny Harin­karena faobe (PIB) eto Mada­gasikara ny fitrandrahana nikela sy kobalta, mitondra ny 30 hatramin’ny 60% amin’ny vola miditra eto an-toerana. Manome ny 4 hatramin’ny 14% amin’ny PIB, sady mitana ny laharana voalohany amin’ny fanondranana any ivelany izany amin’ny taona 2025.
Ho an’ny Bad, miisa telo ny fitrandrahana lehibe harena ambanin’ny tany manan-danja eto Madagasikara, ny nikela sy kobalta (Ambatovy), ny fasimainty (Rio Tinto) sy ny titane-zircon ary ny kraomita. Faninefany ny tetikasa fasimainty any Ranobe Toliara Atsimo Andrefana.

Mila rafitra tsara tantana
Tena ilain’ny mpanjifa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, toy ny nikela, ny kobalta, ny fasimainty. Misy koa ny efa eo am-pikarohana, toy ny aritany, ny vy, ny grafita ary ny sokay.
Mahakasika ny volamena, mitatitra ny Bad, fa mbola atao asa tanana ny fanefena azy eto Madagasikara. Tokony homen-danja ity sehatra ity, hatao tsara tantana sy ametrahana rafitra ara-ketra sahaza. Eo koa ny fanodinana ny vatosoa sarobidy, toy ny safira, ny rubis, ny emeraoda, izay mbola kely ny vokatra. Misy koa ny harena ambanin’ny tany tsy fahita (terre rare) any avaratra andrefana, izay tokony hahasarika ny mpampiasa vola vahiny.
Araka ny tatitry ny EITI Madagasikara, miantoka ny 27,59% amin’ny fanondranan’i Madagasikara any ivelany ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Avy amin’ity sehatra ity ny 14,7% amin’ny fitomboan’ny sokajim-pihariana faharoa, ho an’ny taona 2023 satria nitombo ny filan’ny mpanjifa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: