Taorian’ny taona 2022, tonga indray ity ny fotoana hiatrehan’ny Ankoay ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika 3×3. Efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy.
Nianga omaly teto an-tanindrazana hihazo any Le Caire Egypte ny ekipam-pirenena Ankoay, sokajy lehilahy sy vehivavy. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “FIBA Africa 3×3”, taranja basikety, izay hotanterahina ny 1-3 desambra ho avy izao, ny anton-
dian’ny ekipa nasionaly any.
Marihina fa ry Solondrainy Arnol sy Randriamampionona Elly ary Livio Ratinarivo dia hamonjy avy hatrany ny Malagasy delegasiona any Addis-Abeba, araka ny voalazan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB). Tsiahivina fa avy niatrika ny fifaninanana “Ligue Basket-ball Africaine (BAL)” niaraka tamin’ny Cospn izy telo mirahalahy ireto.
Hiaro ny anaram-boninahitra efa azo tamin’ny taona 2022 ny Ankoay, sokajy lehilahy amin’ity taona ity. Araka ny fikarohana natao, ao amin’ny vondrona “B” no misy an’i Madagasikara. Miray vondrona aminy ao i Bénin, Kenya sy Maroc ary i Mali.
Raha ho an’ny vehivavy, hanala vela ny medaly volamena tsy azo tamin’ny taona lasa no tanjona ho azy ireo. Sokajy “B” ihany koa no misy azy ireo. Hiady ho lohany amin’izy ireo ao anatin’izany, i Bénin, Kenya, Nigeria sy i Maroc.
Tsara ny mampahafantatra fa raha voahosotra ho tompondaka amin’ity FIBA Africa 3×3 ity ny Ankoay lehilahy, tafita hiatrika ny fifanintsanana ady tapakila hiatrehana ny lalao olympika 2024, izay hatao any Paris.
Fitia Randria
Ny lisitr’ireo Ankoay mpilalao 3×3
Lehilahy :
Randriamampionona Elly
Rick-ley Loubacky
Solondrainy Arnol
Ratianarivo Livio
Mpanazatra : Randrianarivelo Jean de Dieu na Coach Deda
Vehivavy : (head coach)
Muriel Hajanirina
Christiane Jaofera
Andriamihajanirina Sydonie
Randriatahiana Sarobidy
Mpanazatra : Rakotomalala Mathieu