Fampirantian’i Joel Andrianomearisoa: misitraka voalohany Antananarivo

Tanterahina eny amin’ny Flow Gallery Ivandry, nanomboka ny 25 novambra 2023 hatramin’ny 29 febroary 2024, ny fampirantiana «Le crépuscule des promesses éternelles », an’i Joel Andria­no­mearisoa. Mpahay kanto manana ny lazany eo amin’izao tontolo izao ity manao seho ranty ity. Araka ny nambarany, eto Antananarivo no anehoana voalohany ity fampirantiana ity mialoha ny hanehoana azy any ivelany. Tanjon’ny hetsika ny hampiseho amin’ny alalan’ny kisary, arahina petakofehy sy amin’ny alalan’ny vy ny zava-misy sy ny tantara tsy hay hazavaina sy sarotra takarina.
Fampirantiana manokana sady voalohany ho an’i Joel Andrianomearisoa ity atao ity. Mampivondrona ireo singa mampiavaka ny haikanton’i Joel Andrianomearisoa ny seho ranty mandritra izany. Hita ao anatin’izany ny lamba sy ny taratasy ary ny vy. “Le crépuscule des promesses éternelles» no lohateniny. Raha hazavaina tsotsotra, ny fiantombohana sy ny niforonan’ ny faniriana mandrakizay no haseho amin’ny alalan’ny haikanto vita amin’ny singa mampiavaka an’i Joel Andriano­mearisoa. Resahin’ireo haikanto amin’izany, ny fiainana izay manozongozona ny olona eo amin’ny maha izy azy, saingy mahafaly ny fanahiny, mialohan’ny hahalevona ny hambompony sy hahavery fanahy azy. Amin’izany fotoana izany no mitsiry ny fanantenana izay manondro ny hoavy feno fisalasalana ka mamelona ny androntsika ankehitriny sy mampahatsiahy ny lasa. Resahin’ireo haikanto ihany koa ny fihetsem-po sy tsiaro. Izany rehetra izany no asehon’ity Malagasy mpahay kanto, manana ny lazany maneran-tany amin’ny fampiratiana ity.

Lin

Partager sur: