Fanolanana ankizy T5 : naiditra am-ponja ilay lahiantitra 88 taona

Niakatra fampanoavana omaly, naiditra am-ponja vonjimaika, ao Miarinarivo ilay lahiantitra 88 taona nanararaotra ara-nofo ankizivavy 13 taona, kilasy T5 tao amin’ny fokontany Befaritra, kaominina Soavinandriana, distrikan’ i Soavinandriana, faritra Itasy. Norebireben’io lehilahy io ilay zaza vao 13 taona rehefa niditra tao an-tranony izay tsy nifanalavitra amin’ny sekoly. Notambazany homena vola 100 000 Ar, araka izany, ilay ankizy. Noviravirain’io tsy matahotody io noho izany io ankizivavy mbola mpianatra io. Nahare ny zava-nitranga tamin’ny alalan’ny fampahafantaran’ny manodidina ny ray aman-drenin’ny zaza ka na­metraka fitoriana. Voasam­botra ny 24 novambra teo ilay voarohirohy. Tsy afa-nandà ny fiampangana azy intsony raha teo ity farany rehefa nanamarina ny mpitsabo fa simba tanteraka ny taovam-pananahan’ilay ankizy. « 500 Ar aloha no nomen’io lehilahy io noho izy nilaza vao manangona ny vola 1 hetsy Ar », hoy ny lasibatra nandritra ny famotoran’ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: