Fanondranana ; betsaka ny akora fototra azo trandrahina

Niantoka ny 22.4% amin’ny tahan’ny Harinkarena faobe eto Madagasikara nandritra ny taona 2022 ny fambolena. Raha 58,7 tapitrisa ha ny velaran’i Madagasikara, mahatratra 40,8 tapitrisa ha ny velarana azo volena. Mbola maherin’ny 33,2 tapitrisa ha anefa ny tany tsy mbola voatrandraka. Manan-karena akora fototra azo trandrahina tsara i Madagasikara ankoatra ireo voly fanondrana toy ny lavanila, kakao, jirofo, kafe sns. Azo trandrahina ny ankamaroan’ny zavamaniry eto amintsika saingy mbola vitsy ny mahita lalambarotra ivelarana amin’ny tsena ivelany. Hetsika iray ampifandraisana ny Malagasy mpisehatra
amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa iraisam-pirenena ny “Innovative Innovative Natural Ingredients of Madagascar (INIM)”, tontosaina etsy amin’ ny Radisson Blu Ambo­divona, omaly sy androany. Nilaza i Jacky Jayat, mpikaraka ny hetsika fa “manana akora fototra sy karazan-javamaniry mahatratra 15 000 tsy fahita maneran-tany i Mada­ga­sikara ka mitady izany ireo mpandraharaha any ivelany”. Sakana ho an’ny Malagasy mpandraharaha, hoy izy, ny fahasarotan’ny fitadiavana lalambarotra sy tsy fahafantarana ny lalàna mifehy ny fandefasana entana. Mazàna, lavin’ny mpanafatra ny vokatra rehefa tonga any ivelany.

Ezaka
“Anisan’ny akora be mpitady amin’izao fotoana ny zavamaniry misy hanitra (plantes à parfums). Eo koa ny zavamaniry ahazoana angovo azo avaozina toy ny éthanol. Misy koa ny akora ilaina amin’ny taotrano manaja ny tontolo iainana (eco-construction)”, hoy Ramahandrison Felana Anna, tomponandraikitry ny tetikasa INIM. Mila miezaka mitrandraka ireo lalambarotra ireo ny Malagasy mpisehatra, hampivoarana ny famokarana sy ny toekarena amin’ny ankapobeny.

Henintsoa Hani.

Partager sur: