fitaovam-piadiana : Atrikasa momba ny fiparitahany

Tsapa ankehitriny ny hamaroan’ny fivezivezen’ny basy tsy ara-dalàna amin’ireo toerana maro eto Madagasikara. Heverina ho antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao, izany. Mananosarotra ny fanaraha-maso azy ireny koa ny tsy fanavaozana ny taratasy ahafahana mitazona azy ara-dalàna. Hifehezana izany rehetra izany indrindra no antony nanatanterahina atrikasa lehibe niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eny anivon’ireo minisitera misehatra amin’ny asa fampandriana fahalemana teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe, omaly. Nanokatra izany tamin’ ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Zafindratovo Heritiana, ary nanatrika izany ireo solontena avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny Tafika ary teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Nitarika ny atrikasa ny talen’ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, Razanarivony Mialisoa, izay nanambara fa ambana goavana amin’ny resaka filaminana sy fandriampahalemana ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalàna.

J.C

Partager sur: