Mandray anjara amin’ny tanjona fandrakofana ala an’i Madagasikara ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Manodidina ny 3 000 isa ny zana-kazo nambolen’ny fianakaviamben’ity minisitera ity, ny volana marsa 2023 teo. Tany amin’ny fokontany Ambohibarikely, ao amin’ny faritra ZODAFARB Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrika Atsimondrano no nanatanterahina izany. Taorian’ny fanombanana ny herinandro lasa teo, tsara ny vokatra satria naniry ny 85% amin’ny zana-kazo voavoly tamin’ny velarantany mirefy 1,25 ha. Miisa efatra ny karazan-kazo nambolena, ahitana « frêne », « acacia », « jacaranda » ary kininina « eucalyptus robusta ».
Nanatanteraka ny tombana, nidina teny ifotony, ny fitantanana ny fanadihadiana sy ny tombana ara-tontolo iainana ao amin’ny minisitera MTP. Anisan’ny nahazoana izao fahombiazana izao ny fikojakojana sy ny fanaraha-maso ny zana-kazo voavoly.
Mitohy ny ezaka, ary efa eo am-panomanana indray ny fiatrehana ny taom-pambolen-kazo 2023-2024.
Njaka A.