Nirefotra ny basy tao: Jiolahy iray maty, telo voasambotra

Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina parisela 21/17, omaly tamin’ny 1 ora maraina sy 10 mn. Jiolahy iray rotiky ny bala raha telo hafa azo sambo-belona.

Teo amin’ny lalan-dratsy mihazo ny tobin’ny polisin’ny Fip, akaikina orinasa iray no nisehoan’izany. Andian-jiolahy tsy latsaky ny 20 nirongo antsy sy basy no indray nanafika tokantranon’olona sady toeram-pivarotana tao amin’io fokontany io. Valo lahy niditra an-keriny tao an-trano raha nanara-maso teny ivelany kosa ny hafa sady mihazona ny entana avoakan’ireo namany avy ao an-trano, miampy ireo entana efa azon’izy ireo tamina vaky trano hafa. Nambaran’ny polisy fa efa nahavaky trano fivarotana hafa ry zalahy ka mbola nanohy ny fanafihana tao amin’ity tokantrano ity indray. « Efa tafiditra tao an-trano izy ireo fa ny fomba nidirany tao tsy nisy naheno », hoy ny fitantaran’ny zanaky ny tompontrano. Naratra teo amin’ny lohaliny ny raim-pianakaviana iray tao an-trano. Lasan’ ireo mpanafika ny vola sy ny entam-barotra isan-karazany toy ny paty, menaka, vary, kidoro ary baterian’ny jiro. Azon’ny polisy teny am-pelatanan’ireo mpanafika avokoa ireo entana halatra ireo.

Tsy hitsitsy ny polisy…
Tonga haingana teny amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana ny polisy raha vao nahazo antso momba ity asan-jiolahy ity. Mbola tratran’ny polisy tao an-trano ireo jiolahy ka raikitra teo ny fifandonana satria nanambana antsy lavalela ry zalahy. Nitifitra ny polisy ka lavo ny iray raha tratra ny telo hafa. Nanamafy ny kaomandin’ny polisin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules fa mbola misy jiolahy 16 karohina ary tsy hitsitsy mihitsy izahay ka mampitandrina ireo olon-dratsy. Tanjona ny hilaminan’ny tanànan’i Toamasina na teo aza ny didim-pitsarana nivoaka ny alarobia 22 novambra 2023 lasa teo momba ireo jiolahy tratra. Voarohirohy tamina raharaha fanafihana mi­tam-piadiana sy vonoan’olona ary fampanofana basy ireto telo lahy tratra ireto, saingy navotsotry ny fitsarana.

Sajo

Partager sur: