Nisongadina tamin’ny talentany : nodimandry i Cheffe Mariette, mpitahiry ny hainahandro fahiny

Raha vao hoe haify sy hainahandro malagasy, voatonona avy hatrany ny anaran’ny Cheffe Mariette Andrianjaka. Nahalala azy sy ny talentany avokoa, hatrany ivelany. Lasa namonjy an’i Ludger Andrianjaka ity vadiny ity…

Vaovao ratsy hatrany… Nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo i Cheffe Mariette Andrianjaka. Andra­rezina teo amin’ny tontolon’ny haify sy ny hainahandro ma­lagasy izy. Mpahay lakozia nikoizana, indrindra mahakasika ny hainahandro malagasy fahiny. Azo lazaina fa i Cheffe Mariette no nitahiry sy nampita ihany koa ny tsiambarate­lon’ny hainahandro tamin’ny andro faha mpanjaka. Nanda­lina avy eo nampita ny haify sy hainahandro tamin’ny mpianany maro dia maro izy. Nirara­draraka ny fanomezam-boninahitra ho an’ity olobe ity, avy tamin’ireo nandray fahalalana taminy, eto sy any ivelany.
Nataon’i Mariette Andrian­jaka ho vaindohan-draharaha mihitsy ny fanandratana ny haify malagasy. Fiteniny ombieny ny hoe “misy kanto ao ambadiky ny hoe sakafo”, ary noporofoiny tamin’ny fi­trandrahana ireo nahandro fahiny izany. Izay no nahalalan’ny maro, na malagasy na vahiny ny tena antsoina hoe “hanim-pitoloha”. Tsy hahafoizan’ireo mpankafy sakafo azy ny fahaizany mahandro ny varanga sy ny vary rojomena, indrindra ny ro mazava. Efa tany amin’ny taona 70 no niditra teo amin’ny tontolon’ny hainahandro ity andrarezina ity. Mari-boninahitra maro sy malaza mahakasika ny haify sy ny hainahandro no efa azony, toy ny « Commandeur des Cordons Bleus de Fran­ce », « Connétable des Che­valiers de Provence », « Disciple d’Auguste Escof­fier », ankoatra ny maha mpikambana ao amin’ny « Confré­rie des Grandes Toques » sy ny « Confrérie de la Marmite d’Or ».
Ireo izay mpitsidika ny La table de Mariette taloha, sy ny Chez Mariette eny Faravohitra dia mahalala tsara ny talentany. Ankoatra ny haify anefa, mpankafy « rallye » ihany koa izy, ary anisan’ireo vehivavy mpanampy voalohany, nandray anjara tamin’ny Rallye Esso 1970. Mazava loatra fa mpankafy mozika ihany koa, niaraka tamin’ny vadiny Ludger Andrianjaka, izay mpihira nanana feo miavaka.

Zo ny Aina

Partager sur: