Tao anatin’ny dimy taona, nanomboka nahitana fivelarana be ny fikarohana momba ny fanorona. Fantatra fa hivoaka tsy ho ela ny boky hoenti-mianatra ity lalaon-tsaina sady fitaizana no fanabeazana feno ity. « Fanorona fototra », nosoratan’i Zama Be na Andriatsarafara Jean Marie, izay tompondakan’i Madagasikara intelo.
Fampisehoana « Cirque ». Hitohy anio, eny amin’ny Zaridainan’Anosy, ny fampisehoana ataon’ny Aléas Circus. Tanisa, tsingeringerina, hakingan-tanana sy ny maro samihafa no ho hita mandritra izany. Natokana ho an’ny mihoatran’ny 14 taona ny hetsika. Aorian’ny anio, mbola hitohy amin’ny toerana maro eto Antananarivo Renivohitra izany.
Atrikasa “Parkour”. Tanterahina anio, eny amin’ny Aft Andavamamba, ny atrikasa “Parkour”, iarahana amin’ny Traceur Gasy, ao anatin’ny hetsika “La science dans tous ses états”. Hisy ihany koa ny fampahafantarana misimisy kokoa ity haikanto sy taranjam-panatanjahantena iray ity ankoatra izay atrikasa izay.
“Madagascourt Film Festival”. Hitohy any Antsanitia, Mahajanga, manomboka anio, ny “Madagascourt Film Festival”, andiany faha-18. Hisantarana izany amin’ity anio ity ny atrikasa “Ti’Kino Gasy”, hitohy amin’ny “Balade Kolosary”, ary hifarana amin’ny fandefasana sarimihetsika ho an’ny rehetra eny anivon’ny sekoly.