Tetiandron’ny Ceni : hatao mialoha ny volana mai ny fifidianana ben’ny Tanàna

Efa maka bahana. Anisan’ ny nambaran’ny filohan’ ny Ceni, ny sabotsy teo, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny depiote amin’ny taona ho avy. Tom­banan’izy ireo hatao amin’ny enim-bolana voalohany amin’ny taona 2024 izany, araka ny nambarany. Vinavinaina izany fa hatao mialoha ny volana mai ny fifidianana ben’ny Tanàna. Efa tapitra tamin’ity volana novambra ity rahateo ny fe-potoam-piasan’ireo mpitantana ny kaominina.
Hirosoana avy eo ny fifidianana depiote ka tokony ho efa handray ny toerany ireo olom-boafidy ireo amin’ny fotoam-pivoriana voalohan’ny Antenimierampirenena ny volana mai.
Na izany aza, mbola miankina amin’ny governemanta ny mamoaka amin’ny fomba ofisialy ny tetiandro ofisialy mo­mba ireo fifidianana eny ifotony ireo.
Efa tafiditra ao anatin’ny vi­na­vinan’ny tetibola 2024, na­m­pahafantarina teny Tsim­ba­za­za, omaly, rahateo ny hanatanterahana ireo fifidianana in­droa miantoana ireo. Ha­no­kanana 52 miliara Ar mahery ny fifidianana ben’ny Tanàna, raha 44 miliara Ar kosa izany ho an’ny Solombavambahoaka.
Mandra-piandry izany, nambaran’ny filohan’ny Ceni fa hisokatra ho an’ireo feno taona ny lisitry ny mpifidy nampiasaina teo iny. Hanom­boka ny 1 desambra izao izany ary hifarana any antenantenan’ny volana janoary any ho any. Hisy ny fanitsiana ny lisitra ary afaka misoratra ao anatin’izany ireo tsy tafiditra tamin’ny rejisitra teo aloha.

Synèse R.

Partager sur: