Tetibolam-panjakana 2024 : lohalarana ny fanatsarana ny sosialy

Mitotaly 12 706 miliara Ar ny fitambaran’ny tetibola ho an’ny taona 2024. Voafaritra ao anatin’izany ny fampandehanan-draharaha amin’ny an­kapobeny sy ny fampiasam-bolam-panjakana. Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabariniri­narison Rindra Hasimbelo, nandritra ny fivoriambe tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny famelabelaran-kevitra amin’ ny ankapobeny ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola ho an’ny taona ho avy. Atao laharam-pahamehana ny lafiny sosialy. Nampakarina ho 341 miliara Ar ny tetibola amin’ny fanohanana ny sehatry ny maha olombelona. Ao anatin’izany ny lafin’ny fampianarana, ny fahasalamana, ny filaminana, ny momba ny vehivavy sy ny ankizy sns. Hisy ny fandraisana mpiasam-panjakana 14 466 amin’ireo sehatra rehetra manerana ny Nosy. Hisy ny fanohanana ny sehatra tsy miankina amin’ny tetikasa sy ny seha-pamokarana mba hisian’ny fahamarinan’ny fampiasam-bola. Noho izany, ampakarina ho 77 miliara ny tetibola miohatra ny taona 2023. Hamafisina ny fitantanana eny ifotony, amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana mangarahara. Ham­pakarina 16,66% ny tetibola natokana ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Fampidiram-bola
Vinavinaina hiakatra hatrany amin’ny 10 miliara Ar ny hetra anatiny. Taham-piakarana 13% raha oharina ny taona 2023.
Mitentina 4 687,0 miliara Ar kosa ny vola hiditra amin’ny haban- tseranana izay ahitana fitomboana 13%.

Henintsoa H.

Partager sur: