Trail – UTCS : nisongadina i Hobilalaina

Nifarana ny alahady lasa teo, teto Analamanga, ny andiany fahefatra amin’ny Trail – UTCS. Nisongadina ny zava-bitan’ i Hobilalaina, nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny Ultra tour, mirefy 122 km. Tontosany tao anatin’ny 11 ora 02 mn 55 s, izany. Atleta avy amin’ny klioba Crown Vakinankaratra no tonga faharoa sy fahatelo, tamin’ny alalan’i Jean Nelson, nahavita ny halavirana tao anatin’ny 11 ora 22 mn 18 s. Nanaraka azy, i Jeannot Tahiriniaina, 11 ora 22 mn 19 s.

Raha tsiahivina niady ny fihaonana teo amin’izy ireo. Nifandimbiasana ny nahazo ny fandresena teo amin’ireo dingana samihafa. Lasan’i Jean Nelson ny Ultra Ambodirano, ny zoma. Nanjakan’i Hobilalaina kosa ny hazakazaka nanomboka ny sabotsy, teo amin’ny Ultra Vakinisisaony.

Ilay teratany frantsay, Sylvaine Cussot kosa no voalohany teo amin’ny vehivavy. Tao anatin’ny 14 ora 32 mn 05 s no namitany ny 122 km, faha-10 izy teo amin’ny filaharana ankapobeny. I Angela Nirinasoa, ny faharoa, 15 ora 14 mn 43 s ary namarana ny lampihazo i Dina,15 ora 37 mn 06 s.

Tompondaka

Partager sur: