Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ny raim-pianakaviana iray, naratra mafy tao Ampasimbe Manantsatrana. Notapahim-badiny tamin’ny antsy ny filahiam-drangahy raha iny variana natory iny izy. Niongotra mihitsy izany. Disadisa ara-pitiavana teo amin’izy mivady no nahatonga izao ratra nahazo azy izao.
Fitadiavana rano mavesatra «Mercure» no mampirongatra ny fanapahan-doha ao amin’ny distrikan’ny Vondrozo, araka ny fanadihadian’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovana Atsimo Atsinanana, Lietnà-Kly Eugène Rakotoarisoa. Olona folo no tazomina atao fanadihadiana ka vehivavy ny roa amin’izy ireo. Tadidin’ ny renin’ny iray tamin’ireo lasibatra ny endriky ny roa tamin’ireo olona folo voasambotra ireo ka nanamora ny fisamborana azy.
Zazamena efatra namoy ny ainy, vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo tao amin’ny distrikan’i Mandoto, afakomaly. Nangalatr’omby tao amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Tamponala, distrikan’i Soavinandriana ireo dahalo, ny alahady 26 novambra teo. Nitsoaka nandositra nihazo an’i Mandoto. Nanara-dia ny zazamena sy ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Latsaka ny omby 46 saingy maty voatifitra ny efa-dahy tamin’ireo zazamena.