Tsikalankalam-pihavanana

 

Raha manaraka ny vaovao amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fitaovana fampitam-baovao mahazatra dia mihorona andro aman’alina ny hodi-doha. Mahavalake­traka ny mijery sy miaina ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy hita ny hisokajiana ilay andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Tena mirona tanteraka any amin’ny gaboraraka sy fanaovana izay danin’ny kibony.
Maloto tanteraka ara-bakiteny sy ara-keviny ny tontolo manodidina ny fiainan-dRamalagasy. Maloto ny tanàna sy ny toeram-ponenana. Maloto, manaraka izay ihany koa, ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana. Mirongatra ny aretin-tsaina sy ny fikorontanan’ny zanakatidoha. Mahazo vahana ny herisetra amin’ny endriny rehetra. Manginy fotsiny ny vono olona isan-karazany iniana atao ka mahafaty tsy manan-tsiny.
Tsy ho voatanisa ny zava-miseho fa ny hisintomana ny sain’ny rehetra dia ny fahatongavan-tsaina. Ekena fa marefo noho ny fahantrana lalina sy ny olam-piainana ny isam-batan’olona. Tsy tokony ho hadinoina anefa fa miaina miaraka amin’ny hafa. Ny fiaraha-mientana sy fifanampiana no hany vahaolana, hialana amin’ny enta-mavesatra lanjain’ny tsirairay.
Mila miverina amin’ny soatoavina, indrindra ny fahaizana mifampitsinjo Ramalagasy. Tafahoatra ny samy mandeha samy mitady. Fihetsika izay mainka mamorika fa tsy manavotra noho ny vahaolana petatoko sy vonjitavanandro. Raha mbola sodokan’ny aleo ho faty rahampitso sy ilay hoe raha maty aho matesa rahavana ny Malagasy dia ifoteran’ny ataony eto hatrany. Mandrora miantsilany amin’ny famolavolana vainafo an-tampon-dohany.
Mitaky fanamafisam-pihavanana any ifotony ny zava-misy ankehitriny. Mila mahatsapa tena ny isan-tokantrano amin’ny fialana amin’ny fitiavana mamono ny hafa. Izay mitambatra vato no afaka mandresy an-drafahantrana sy ny ratsy rehetra! Mila haverina sy hajaina ny tsikalankalam-pihavanana.

r.r

Partager sur: