Manodidina ny 1 000 000 ny Malagasy mivelona amin’ny harena an-kibon’ny tany, araka ny tombana nataon’ny minisitera mpiahy. Tamin’ny taona 2015 io tarehimarika io, fa tsy misy ny antontanisa mazava mahakasika ny mpitrandraka madinika tsy ara-dalàna. Misy koa ny tantsaha manao ity asa ity ihany amin’ny fotoana an-tselika.
Nanaraka ny zotra an-dalamby FCE ny masoivohon’i Soisa, Rolf Stalder, ny sabotsy 25 novambra teo. Niainga teo Fianarantsoa ny diany ary nijanona kely naka rivotra tany Beravina. Anisan’ny anton-diany tany an-toerana ny hamerenana ny fiaraha-miasan’ny FCE sy i Soisa.
Hisarika ny mpampiasa vola goavana sy hampiroborobo ny indostria. Ireo ny paikady apetrak’i Madagasikara mandritra ny fivoriamben’ny rafitry ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) any Vienne Autriche, mandritra ity herinandro ity. Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanaparitahana ny indostria madinika (ODOF).
Maherin’ny 40% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika ny fomba fisakafoana sy ny fomba fanatsarana ny famokarana sakafo ny FAO, nandritra ny atrikasa nataony niaraka tamin’ny vovonana MIKASA mpiara-miasa aminy.