Zava-mahadomelina : olona roa nahatra­rana rongony

Tratran’ny zandary ny olona roa nikasa handositra nitondra rongony tamin’ny gony tao Tanandava, kaominina Andoharano, ny 25 novambra teo. Nentin’ilay lehilahy sy vehivavy namany tamin’ny gony roa samy hafa ny rongony ary nokasain’izy ireo hovarotana amin’ny toeran-kafa. Nifanena tampoka tamin’ny mpitandro filaminana anefa izy roa ka tsy afaka niverin-dalana. Nosavaina rehefa naneho fihetsika hafahafa ireo mpivarotra zava-mahadomelina ireo. Sarona teny aminy tokoa ny rongony izay nahatratra 7, 80 kg. Nentina natao famotorana avy hatrany izy ireo. Nogiazana ny entana tratra teny aminy. Taorian’io, naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Tsiferana R.

Partager sur: