Manohana ny tanora amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny orinasa Airtel Madagasikara. Anisan’izany ny fiaraha-miasany amin’ny Oniversite Fianarantsoa.
Natao sonia omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagasikara sy ny sekoly ambony Emit any amin’ ny oniversite Fianarantsoa. Fiaraha-miombon’antoka mifantoka amin’ny fanohanana ny tanora mpianatra momba ny fikarohana amin’ny teknolojia niomerika. Hanohana amin’ny fananganana laboratoara niomerika ny Airtel. Eo koa ny fikarakarana atrikasa fanofanana mitohy, hifehezan’ny mpianatra ny lafiny arakasa. Hiantohany ny fitaovana sy ny kojakoja informatika ilaina, ahafahan’ny mpianatra mandalina tsara ny fianarany sy ny fikarohany ary mahazo ny antontam-baovao ara-potoana sy feno. Hanampy ny mpampianatra manao ny asa fanabeazana araka ny tokony ho izy koa izany.
Homen’ny Airtel Madagasikara fahana amin’ny finday (crédit) ireo tomponandraikitra samihafa, toy ny mpampianatra, ny mpiasa birao sy ny teknisiana, ny delegen’ny mpianatra, ny mpikambana ao amin’ny biraon’ ny fikambanan’ny mpianatra ary ny filohan’ny klioba samihafa ao amin’ny Emit.
Vahaolana ara-teknolojia
Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana (DG p.i) ny Airtel Madagasikara, Randrianarison Heritiana, fa « taratry ny fahatokisanay ny hoavin’i Madagasikara ity fiaraha-miasa amin’ ny Emit Fianarantsoa ity. Endriky ny fanohananay ny fanabeazana sy ny fikarohana niomerika eto amintsika ihany koa. Manamafy ny ezaka ataonay hanome vahaolana ara-teknolojia sahaza ny besinimaro sady hisarihana ny rehetra ao anatin’ny tontolon’ ny fanabeazana ».
Nanamafy izany ny talen’ny Emit Fianarantsoa, ny Dr. Rakotonirainy Hasina Lalaina, nilazany fa « toeram-piofanana avo lenta ny Sekoly ho an’ny fitantanana sy ny fikarohana ara-teknolojia ny Emit. Hajainy ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fikarohana siantifika. Hanome ny loharanom-pahalalana ho an’ny mpianatra sy ny teknisiana, sady hanokatra lalana maro ho an’ny tanora ity fiaraha-miasa amin’ny Airtel ity ».
Njaka A.