Nitrangana fanafihan-dahalo maherin’ny 50 lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, Kalachnikov sy Mas 36, tao amin’ny fokontany Ankijabe, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, distrikan’i Morondava, ny talata teo. Lasan’ireo malaso nandritra izany ny omby manodidina ny 200 tao amina tokantrano iray tao amin’io fokontany io. Nitsoaka avy hatrany ireo dahalo nandroaka ny omby sady nanapoaka basy nentina nampitahorana ireo olona tao an-tanàna. Na teo aza anefa izany, nahazo antso ireo miaramila avy ao amin’ny Bataillon d’infantérie Morondava ka nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona tao an-toerana. Nifanehatra tamin’ny miaramila tao amin’ny tanàna antsoina hoe Analamay, fokontany Andoviana, kaominina ambanivohitr’Ampanihy, distrikan’i Mahabo. Raikitra teo ny fifandonana tamin’ny alalan’ny fifampitifirana. Vokany, tsy naharesy tosika ireo miaramila ireto malaso ka lavo nandritra izany ny roa lahy. Nisy koa ireo naratra saingy nentin’ ny namany nitsoaka any anaty ala. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby halatra rehetra. Nanamafy hatrany ny kaomandin’ity bataillon ity fa misy hatrany ireo rafitra matipaika apetraka amin’ireo miaramila eny an-kianja hanenjehana ireo dahalo. Fantatra fa anisan’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo ity kaominina ity saingy manao izay ho afany ny mpitandro filaminana amin’ny fampandrian-tany amin’iny faritra iny.
J.C