Famonoana ilay “transitaire” tao Toliara: telo mianadahy naiditra am-ponja, lehilahy iray karohina

Roa lahy sy vehivavy iray niara-naiditra am-ponja, omaly, momba ny vono olona nitranga tao amin’ny fokontany Besakoa, Toliara, ny 16 oktobra lasa teo.

Mpiara-miasa amin’ ilay lehilahy “transitaire” maty novonoina tao an-tranony ihany ny iray amin’ireo tompon’antoka nahavanon-doza tao Besakoa, To­liara. Nahatraran’ny mpitandro filaminana vola an-tapitrisany tao amin’io lehilahy voasambotra io. Voatazona am-ponja miaraka aminy ny olona iray hafa nokaramaina nanao ny habibiana sy ny vehivavy namany. Raha tsiahivina, maty nolerana zava-maranitra tao an-trano fonenany ny lehilahy iray misehatra amin’ny orinasa mpampita entana iray na “transitaire”, tamin’ny alin’io 16 oktobra io. Ny mpanadio ny trano fonenan’ny lasibatra ihany no nampandre ny fianakaviany ka niantso mpitandro filaminana ireto farany. Natao ny famotorana nanomboka teo. Ny finday ihany no nalain’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nody ventiny ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandarimaria misahana ny heloka bevava ao an-toerana ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja olona telo izao. Arahi-maso ara-pitsarana kosa ny mpiambina ny tranon’ ilay namoy ny ainy sy ny olona iray hafa. Etsy ankilany, ati­doha nikotrika ny famonoana iray hafa sady niray tsikombakomba tamin’ireo telo naiditra am-ponja mbola karohina fatratra amin’izao fotoana.

Tsiferana R.

Partager sur: