Nanatrika ny fivoriambe faha-12-n’ ny filankevitry ny fiangonana afrikanina rehetra natao tao Abuja Nigeria, ny mpitandrina Andriamihafa Lanto Chantal sy Rakotomamonjy Helisoa Miora Fanantenana, Mpanazava avy ao amin’ny Faritany Analamanga Avaratra. Nandinihana lohavevitra 12 ny fihaonana.
Saro-pady ny fampiasana fanafody ka manentana ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny fanarahana tsara ny toromariky ny dokotera. Manatona ny mpitsabo hahazoana ny taratasim-panafody ahafahana mividy izany. Eny amin’ny farmasia ihany no ividianana fanafody. Mitera-doza ny fampiasana fanafody tsy voahevitra.
Nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika tao amin’ny LTP Mahabo, ny herinandro lasa teo, ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa faritra Menabe ho fanomezana tosika ireo mpianatra. Notanterahana tamin’izany koa ny fanokafana ny fiofanana FPQ izay natrehin’ny “expert FCE” ary narahina fampisehoana fanamboarana “Parpaings”.
Mpandray anjara fototra amin’ny ady amin’ny herisetra ny lehilahy ka mahatonga ny tetikasa Sahala mitondra fanentanana manokana ho azy ireny, eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny resa-dehilahy. Mahatsapa ireo nandray anjara tamin’ny fanentanana fa tena nitondra vokatra teo amin’ny fiainan-tokantranony izany.