Fandaharam-potoana farany amin’ity taona 2023 ity, eto an-toerana, ho an’ny taranja karate, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, kata sy kumite, amin’ny sokajy rehetra. Fifaninanana hotontosaina any Toamasina, manomboka anio 30 novambra hatramin’ny 2 desambra izao. Mpikatroka manodidina ny 250, avy amin’ny ligy 18 no ho avy any an-toeana, mandritra io 4 andro io. Tsiahivina fa ligy vaovao 3 no tafatsangana vao haingana, ahitana an’i Menabe, Vatovavy ary i Betsiboka. Nisafidy ny hanatanteraka ny fifaninanana any amin’ny faritra Atsinanana ny federasion’ny karate-do malagasy, ho fampiharana ny vinan’asa napetraka, dia ny fanapariahana ny taranja karate manerana ny Nosy. Eo ihany koa ny fanomezan-danja ny ligim-paritra rehetra mandrafitra ny FKM.
Ho fanamafisana ny lenta, efa nisy ny fiofanana natao ho fanomanana ity fifaninanam-pirenena ity. Nisy ny fiofanana ho an’ny mpikatroka, ny mpitsara ary ny mpanazatra tany Toamasina, ny 9 hatramin’ny 12 novambra lasa teo. Nanao izany ihany koa ny ligin’Analamanga sy Vakinankaratra, ny 18 sy 19 novambra lasa teo, ary mbola hotohizana ny 4 desambra izao izany.
Nohamafisin’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Émile, fa hitiliana izay handrafitra indray ny ekipa malagasy hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenana ho an’ny taona 2024, ity fiadiana ny tompondaka nasionaly 2023 ity. Anisan’ny ho tazana hifaninana ireo niatrika ny lalaon’ny Nosy, izay tena andrasan’ny maro.
Mi.Raz