Hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifaninanana, dia hisy lalao enina eo eny an-toerana amin’ity
faran’ny herinandro ity.
Hanokatra izany ny fihaonana eo amin’ny Cosfa sy ny US Pro. Aorian’izay, hiakatra kianja ny ekipan’ny Elgeco Plus, izay hifanandrina amin’ny Disciples FC Espoir. Marihina fa natao hanomanan’ireo klioba mifaninana amin’ny “Orange Pro League”, ny taom-pilalaovana 2023-2024, ity lalao ity. Hotolorana lelavola 20 tapitrisa ariary izay voalohany amin’ity GTA ity.
Fitia Randria
Ny fandaharan-dalao amin’ity faran’ny herinandro ity :
Kianja Ambohidratrimo :
Sabotsy 2 desambra 2023
10 ora 30 : Cosfa vs Us pro
12 ora 30 : Elgeco Plus vs Disciples ESP
2 ora 30 – CFFA vs TOULON AC
Alahady 3 desambra 2023
10 ora 30 : Net Foot vs AS Spartiates
12 ora 30 : As Sainte ANNE vs Disciples FC OPL
14h30 – Fc Rouge vs Ajesaia OPL