MADAGASIKARA: manana paikady hampiroboroboana ny indostria

Fanamby apetrak’i Ma­dagasikara ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria amin’ny alalan’ny paikady roa sosona hanatanterahina iza­ny. Fisarihana ireo mpampiasa vola goavana izay mila fotoana elaela kokoa raha toa ka ny fampiroboroboana ny indostria madinika haigam-pivelarana, ny iray hafa, hoy ny minisitry ny Fampirobo­ro­boana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, nandritra ny fihaonamben’ny rafitry ny Fi­renena mikambana ho amin’ ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) any Vienne-Autriche. Nanomboka ny 27 novambra ka hatramin’ny 1 de­sambra izao ity fivoriambe andiany faha-20 ity. Lohahe­vitra ny fanatontoloana ara-drariny: vahaolana vaovao ho an’ny indostrian’ny ampitso. Politika nampiharina anatin’ny fohy ezaka, hoy ny minisitry ny Fanaparitahana ny taninketsa indostrialy (ODOF). “Tsy hamoaka indostria goavana ny tetikasa saingy hanaparitaka indostria madinika maro”, hoy ny fanazavany.

Harinkarena faobe

Miara-dalana amin’ny ODOF ny fampiroboroboana ny indostria vaventy izay dingana lavitr’ezaka. Antony nahatonga ilay fifanarahana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana hamaritana ny paikady hatramin’ny taona 2040. Voafaritra ao anatin’ny fifanekena ny hampitombo avo roa heny (30%) ny vokatry ny indostria anatin’ny harinkarena faobe hatramin’ny taona 2040. Sokajiana manokana ny sehatry ny fanodinan-tsakafo, ny lamba, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany ary ny angovo.

Henintsoa Hani

Partager sur: