Namoizana ain’olona iray indray tao amin’ny kariera ao Analangavo, fokontany Maherifody, kaominina sy distrikan’ Antalaha, afakomaly. Nahazo fampandrenesana tamina loharanom-baovao iray ny zandary ao amin’ny borigadin’Antalaha momba ny fisiana olona nihotsahan’ny tany ao amin’io toeram-pitrandrahana io. Fantatra fa telo lahy izy ireo no teo amin’ity toeram-pitrandrahana vatosoa ity kanjo nihotsaka tampoka izany ka avotra ireo namany. Nidina teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera ka voamarina tokoa izany. Ny fokonolona no nifanome tanana tamin’ny fikarohana ny razana. Nahitana ratra teo amin’ny orony raha ny fizahana nataon’ny dokotera. Hasemporana noho izy tototra tao anaty ranontany no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Efa nomena ny fianakaviana ny razana. Mitohy ny famotorana sy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
J.C