Mihenjan-droa

 

Milaza tsy tia vary mohoka kanefa mahalany sosoa be rano, izay no azo ilazana ny mpanao politika malagasy ankehitriny. Manenjika sy manilika olom-pirenena lazaina fa vazaha kanefa miantso vonjy any amin’ny vazaha. Ny zava-doza, manankina ny hoavin’ny firenena iray manontolo any amin’ny vahiny. Mikiribiby mihitsy ny handrombaka fahefana amin’ny alalan’ny fijabahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Firenena mahelotena sy manana ny maha-izy azy i Madagasikara. Manana ny fiandrianany ka na inona na inona tsy fitiavana olona na antoko politika iray tsy any amin’ny kilalao sadasada tahaka izany no hamarinana ilay tanindrazana. Mibaribary ny fitiavana ny tombontsoa manokana sy ny fikasana hamboly korontana. Entanin’ny fitiavan-tena ka tsy menatra manosihosy ny hasin’ny firenena.
Tany voalaza fa demokratika i Madagasikara. Namela malalaka ny rehetra haneho ny heviny tamin’ny fifidianana. Na inona na inona antony, nekena ny feon’ireo nandatsa-bato. Najaina ny safidin’ireo nijanona an-trano tamin’ny 16 novambra. Efa vita ny dingana rehetra nahafahana namoaka ny vokatra, tsy misy antony tokony hiverenan-dalàna indray.
Sanatrian-dresaka hanao lelon-jaza ny mpanao politika. Mivoaka miditra tsisy farany. Zava-dehibe anefa ny fisian’ny fitoniana, ahafahana manohy ny fampandrosoana tiana hatao. Tsy fotoanan’ny fiverenan-dalana sy ny fanaovana an-jorombala ny tombontsoan’ny vahoaka intsony izao. Mila fitoniana ny vahoaka malagasy.
Raha mitaky ny hanafoanana ny fifidianana sy hanangana Tetezamita ny mpanohitra, miantso vonjy amin’ny vazaha, andaniny. Hamoaka ny vokatra ofisialy tsy azo ivalozana ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana rahampitso. Ho hita eo, araka izany, ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Mihenjan-droa ny tady!

r.r

Partager sur: