Tetikasa Efaho: mandroso ny asa fametrahana ny fantsom-be

Eo am-pamaranana ny fanajariana ny toerana malalaka hametrahana ny fotodrafitrasa hisintonana ny rano avy ao amin’ny reniranon’Efaho any Taolagnaro. Mirefy 97 km ny fantsom-be miainga ao amin’ity renirano ity hatrany Ambovombe.

Tonga nijery ifotony tany Esalo, kaominina Ma­nambaro, distrika Tao­lag­naro, ny fizotry ny tetikasa Efaho ny praiminisitra (PM) Ntsay Christian, omaly. Nano­trona azy ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fa­hadiovana (MEAH), Ravo­katra Fidiniavo, ny solombavambahoakan’i Taolagnaro, Ratsimandriona Aida Hardy, ny voafidy tany Amboasary Atsimo, Solange Angèle, ary ny governora Anôsy, Rako­to­velomanantsoa Voahary.
Mandeha araka ny tokony ho izy ny asa, ka eo am-pamaranana ny fanomanana ny toerana malalaka, hametrahana ny hitrohana ny rano avy ao amin’ny renira­non’ Efaho ny orinasa manao azy. Nilaza ny PM Ntsay Christian, fa filana fototra ho an’ny olombelona ny rano.
Hitondra fampandrosoana ity tetikasa ity, satria hisitraka azy ny mponina rehetra any an-toerana. Hiteraka asa ho an’ny tanora ny fametrahana ny fotodrafitrasa.
Hisy fiantraikany tsara any amin’ny toekarena izany rehetra izany satria hiroborobo ny fambolena sy ny fiompiana vokatry ny fisian’ny rano.
Miisa 60 ny tanàna andalovan’ny fantsom-be, mirefy 97 km, mitondra ny rano ao anatin’ny tetikasa Efaho, mi­ainga any Taolagnaro, faritra Anôsy, hatrany Ambo­vombe Androy. Mandalo tanàna miisa 60, ka 40 ao anatin’ny faritra Anôsy, ary 20 any Androy. Manodidina ny 500 000 ny mponina hisitraka azy, ary velarantany 80 000 ha no vinavinaina ho voatondraka, ahafahana mamokatra.
Famatsiam-bola madiodio avy amin’ny fanjakana malagasy no hanaovana ny asa, entina hamahana ny tsy fisian’ny rano sy ny kere any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: