Tsipy kanetibe : nosazian’ny Federasiona iraisam-pirenena i Amiroudine

Natsahatry ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe, amin’ny asa maha filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) azy, Andrialemirovason Amiroudine. Tsy misy mpitantana aloha izany ny tsipy kanetibe malagasy.

Ny sabotsy 25 novambra lasa teo, nandefa taratasy fampahafantarana tamin’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM), i Claude Azema, filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena (FIPJP), fa voasazy ary tsy mahazo mitantana ny tsipy kanetibe eto Madagasikara na any ivelany, mandritra ny 2 taona, Andrialemirovason Ami­roudine.
Noraisina izany fanapahan-kevitra izany, taorian’ny fivorian’ny FIPJP natao tany Bangkok, ny alarobia 22 novambra lasa teo. Anton’izao fampiatoana izao, ny tsy nanatrehan’ny filohan’ny FSBM ny fitsipi-pifehezana, niantsoana azy. “Efa nilaza aho fa tsy ha­natrika izany raha tsy mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany i Madagasikara”, hoy i Amirou­dine, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha.
Ankoatra izay, voalaza fa manely vaovao tsy marina ary miray tsikombakomba amin’ny fikambanana sy olon-tsotra ka manimba ny endriky ny tsipy kanetibe sy ny federasiona mpikambana eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena, koa ny tenany.
Nambaran’i Amiroudine fa teren’i Claude Azema, hanendry ny filoha lefitra faharoa hitantana vonjimaika ny FSBM izy, mandra-pahatonga ny fifidianana, hatao ny janoary 2025. “Tsy manaiky izany aho satria efa tsy manana fahe­fana intsony sady sao misy fandrika satria am-bava fotsiny no ilazana azy”, hoy izy.
Irariany mba hivaha amin’ izay ny sazy mahazo ny tsipy kanetibe malagasy ka ho afaka hiatrika ireo fifanina­nana iraisam-pirenena isan-tokony ny Malagasy mpilalao. Manana 2 volana i Amirou­dine, hampakarana ny raharaha raha toa ka tsy afapo tamin’ny fanapahan-kevitry ny FIPJP.

Tompondaka

Partager sur: