VAOVAO TAMBATRA

Nigadona ao Mahajanga ilay sambo vaventy, Le Jacques Cartier, mpitondra mpizahatany. Nitsi­dika ny tanànan’i Mahajanga sy ireo toerana mampiavaka azy ny 139 tamin’ireo 184 mpandeha. Mbola hiverina handalo ao an-toerana ny 27 desambra izao ity sambo vaventy ity raha toa ka andrasana ny alahady izao ny sambo lehibe iray hafa.

Amboarina ny tetezan’Antamponjina, mandalo ny reniranon’i Tsiandanitra, mampitohy ny fokontany Beravina sy Antamponjina ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa. Nitarina ny halavany, raha 11 metatra teo aloha sady nampiakarina ny haavony. Nasiana andry vita amin’ny “béton” ihany koa. Ho vita tanteraka mialoha ny faran’ny taona 2023.

Hanomboka any Dubai, anio 30 novambra, ny Cop.28, fivoriambe iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana. Manana solontena any i Madagasikara, raha tsy hanatrika kosa ny filoha amerikanina, Joe Biden. Tsy mbola tena hita ny vahaolana mahakasika ny fiovan’­ny toetr’andro, indrindra ny lafiny famatsiam-bola ny tetikasa tokony hatao.

Maherin’ny 15 489 708 565 Ar ny famatsiana iombonan’ny fanabeazana (fond commun de l’éducation) eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ary ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Partager sur: