Nolanian’ny solombavambahoaka tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana teny amin’ny Antenimierampirenena ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2024.
Lany tsy nasiam-panovana, tsy nasiam-panitsiana ary tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, omaly, ny volavolan-dalàna laharana faha.023/2023 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ho an’ny taona 2024 (LFI). Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny vaomiera telo voakasik’izany koa ny andininy 22 mandrafitra ny LFI. Hamaly ny filan’ny vahoaka ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy ity, noho izy mifototra
amin’ny hevi-dehibe telo : “ny fanohanana ny maha olona, izany hoe, ny lafiny ara-tsosialy, ny fanampiana ny sehatra tsy miankina hifandray tanana amin’ny fampandrosoana ny firenena ary ny fanatsarana ny fitantanana foibe sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Fakan-kevitra
Nandroso tolo-kevitra
amin’ny fandinihana ara-potoana, araka ny tokony ho izy, ny volavolan-dalàna ny vaomieran’ny fanombanana ny politikam-panjakana. Mitombina sy mifandraika amin’ny tena ilain’ny isam-batan’olona, hoy ny vaomiera, ny andry telo ifotoran’ny tetibolam-panjakana. Tokony mbola hampakarina avo roa heny ny indemnité de logement-n’ny mpampianatra izay 50 000Ar, hampihenana ny fahasahiranana. Tsiahivina fa mitentina hatrany amin’ny 14 766 699 982 Ar ny fitambaran’ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2024. Lohalaharana ny fanatsarana ny lafiny sosialy, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana, ny momban’ny vehivavy sy ny ankizy sns. Hampiakarina ho 4,5% kosa ny harinkarena faobe eto Madagasikara.
Henintsoa Hani