Cirque : Lalao ara-panatanjahantena mila fitandremana sy fahatokisan-tena

Taranja ara-javakanto mifangaro lalao ara-panatanjahantena mila fitandremana sy fahatokisan-tena, noho izy io somary mahery setra, ny antsoina hoe “cirque”. Ivondronan’ ny ankizy sy tanora hanomezan’izy ireo ny kanto ho an’ny mpankafy izany.

Amin’ny ankapobeny, ahitana fihetsika mahery setra sy atahorana ary mampitaintaina ny filaloavana ny “cirque”. “Noho izy io ahitana fihetsika mifanipy sy mifampibata nefa tsy maintsy ezahina ny tsy hianjerana mandritra izany”, hoy Ravaoharisoa Sosana Genie, coordinatrice eo anivon’ny fikambanana Aléa circus. Ahitana fampihomehezana ihany koa eny anelanelany eny, raha ny fanazavana. Nilaza izy fa ilaina fandavan-tena, fahatokisan-tena ary fahatokisana ny hafa ny fanaovana “cirque”. Toe-tsaina tokony hananan’ny olona iray ireo raha te hisehatra eo amin’ny filalaovana io zavakanto iray io. Ankoatra izay, takina ny fahakingana sy ny fitazomana “équilibre” eo amin’ny vatana ny fanaovana azy io.
Hianarana ny fahaizana milalao “cirque”. “Ilaina ny fakana aina sy fisakafoanana tsara alohan’ny hanaovana azy io amin’ny maha fanatanjahan­tena azy”, hoy hatrany izy. Nambarany hatrany fa fadiana ny misotro toaka sy mifoka sigara rehefa manao azy mba tsy hahamora sempotra sy hahatonga fiantraikany ratsy amin’ny lalao. Amin’ny ankapobeny, olona salama ara-batana ny milalao azy. Fa ilaina teknika hianarana ary tsy misy atahorana rehefa voafehy avokoa izany. “Mampiseho ny fihetseham-po rehetra amin’ny alalan’ny hira, dihy, mitendry, fampihomehezana… ny cirque”, hoy Ramananarivo Perozy, mpanao cirque eto Madagasi­kara. Anisan’ny mampiavaka io zavakanto io ny fahitana olona mifampibata, mitsoka afo, mandeha amin’ny bisikileta tokana kodiara, mandeha amin’ny tady… Nisafidy ny hanao cirque izy satria tena tiany io zavakanto sy kolontsaina iray io. “Olana nosedraina ny fianjerana matetika fa tsy natao nahakivy anefa izany”, hoy hatrany izy.
Ahitana taranja
maro samihafa
Ahitana taranja maro samihafa ao anatin’ny lalao «cirque». Toy ny “Dressage (équitation)” Dressage, fampihomehezana, tanisa, ny hafetse­na… Raha ho an’ny Jonglerie na ny tanisa manokana. Endrika iray hanetsehana sy hilalaovana ary hanaovana tanisa amin’ny tanana sy amin’ny tongotra ny karazana fitaovana maro samihafa io taranja iray io.Toy ny vato, hazo, tavoahangy… Amin’ny akapobeny, mampiasa ny fitaovana toy ny Balle, Massue, Foulard, Bolas Foulard, Diabolo, Anneaux, Assiette Chinoise, Baton du diable ny mpanao cirque. Manao tanisa amin’ny alalan’ny fitaovana ireny. Mety hatsipy na hampifandimbiasana ary tsy atao latsaka mihitsy izany. Ezahina ny milalao izany eny amin’ny rivotra. Miaraka amin’ny fihetsika amin’ny tanana sy tongotra, arakaraka ny fahaizan’ny mpilalao izany. Afaka lalaovina mandritra izany, ny karazana fitaovana mihoatra ny telo hatramin’ny valo. Mety mihoatra arakaraka ny fahaizan’ny olona. Azon’ny olona maromaro lalaovina miaraka ihany koa fa tsy voatery ho lalaovin’olona iray izany.
Eo koa ny taranja équilibrisme”. Taranja ara-javakanto hampiharana ny fifandanjana eo amin’ny vatana. Ampiasaina amin’ny fomba maro samihafa. Toy ny fandihizana, ny fitsanganana eo ambonin’ny olona iray, ambony tady, ambony “fil” ihany koa. Misy ihany koa ny fiezahana milalao sy manao fihetsika maro isan-karazany ao anatin’ny kodiarana ngeza be iray. Ankoatra izay, ny fanaovana fihetsika isan-karazany eo ambonin’ny bisikileta tsy misy afa-tsy kodiarana iray. Azon’ny mpilalao “cirque” ny manao izany no sady manao tanisa ihany koa mandritra he­tsika.

Aingam-panahy avy amin’ny lalao romanina

Fampisehoana lalao maro samihafa teo amin’ny sehatra boribory (colisée), tamin’ny tanjato faha-15 na 16 ny « cirque ». Izay miharo dihy, hira, seho an-dampihazo… Aingam-panahy avy amin’ny fomba sy lalao romanina fahiny io zavakanto io. Ny teny hoe « cirque » dia avy amin’ny teny latinina hoe “circus”, nentina nilazana fefy na toerana boribory. Niha nivoatra ny filalaovana azy io araka ny vanim-potoana nifanesy.
“Ny lalao sy sarimihetsika Charlot ny tena niandohan’ny cirque. Tsy kolontsaina teto amintsika izy io fa azo ampivadina tsara amin’ny kolontsaina malagasy tsara anefa”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Direction des arts, cultures et de vie communautaire ao amin’ny kaominina Antananari­vo Renivohitra, Hira ANDRIAMANAMIHAJA, Chef de Servi­ce Culture et Vie Artistique. Mbola vitsy ny olona mahafantatra izany ary tsy mbola fahita firy eto Madagasikara ity karazana zavakanto iray ity. Efa miezaka mampahafantatra izany kosa ireo fikambanana maro samihafa misehatra amin’ny fanaovana izany eto amin’ny Nosy. Anisan’ny manao izany, ny fikambanana Aléa circus etsy Ankadifotsy Ambatomitsan­gana. Niforona tamin’ny 2014 teto Antananarivo izy ireo. Noforonin’ny Virginie Lavenant, ny fikambanana. Tanjona ny hisintomana ny olona hatoky tena sy hatoky ny hafa.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: