Famonoana an’i Ntsoa VHF: migadra 20 taona ilay mpamily, 7 taona ho an’ilay sakaizany

20 taona an-tranomaizina ny sazy azon’ilay mpamily nahavanon-doza namono an’i Ntsoa VHF, taorian’ny didim-pitsarana tetsy Anosy, omaly.

Tsy afa-bela tamin’ny raharaha famonoana an’i Ntsoa VHF, ny sa­kaizany sy ilay mpamily fiara. Nandray anjara mivantana tamin’ny fanaperana ny ain’io mpanakanto io izy roa ireo. Atidoha nikotrika ny fa­mo­noana an’i Ntsoa ny sakaizany ary namono nahafaty azy ny mpamily, notambazana vola. Nokaramain’io vehivavy io ilay mpamily hanao ny habibiana. Efa nangataka fahafahana vonjimaika indroa nisesy ireo voarohirohy saingy nolavin’ny fitsarana hatrany izany. Ny 8 no­vambra 2022, hita faty teny Ambohimanarivo, Talata Volonondry io mpanakanto atao hoe Ntsoa io. Folo andro taorian’izay, voasambotry ny zandary ny olona efatra ka sakaizan’ilay maty ihany ny iray tamin’izy ireo. Notanana natao famotorana koa ny vadin’i Ntsoa.
Afaka noho ny fisalasalana…
Afaka noho ny fisalasalana ny olona telo voasaringotra tamin’ity vono olona ity. Ankoatra ireo, nahazo fahafahana madiodio ny vadin’i Ntsoa. Raha tsiahivina, nosarontsaromana tamin’ny alalan’ny sarintsarina lozam-pifamoivoizana ny fahafatesan’i Ntsoa, ny volana novambra 2022. Nampian’ireo nahavanon-doza tavoahangy tao anatin’ny fiara saingy voamarin’ny zandarimaria nisahana ny famotorana io teti-dratsy io satria novonoina ary nariana niaraka tamin’ny fiara ilay lasibatra.

Tsiferana R.

Partager sur: