Hitohy anio, eny amin’ny Kianja mitafo Besarety, ny fampisehoana iarahana amin’ny Aléas Circus. Fampisehoana « Cirque » maimaimpoana ho an’ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina izy ity. Tanisa, tsingeringerina, hakingan-tanana sy ny nahafantarana ny Aléas Circus hatramin’izay no ho hita mandritra ity hetsika ity. Maimaimpoana, saingy ho an’ny mihoatra ny 14 taona ihany ny fampisehoana.
Mamarana ny hetsika fampialana voly ny vahoakan’Antananarivo, ny Aléas Circus, amin’ity anio ity. Raha tsiahivina, efatra amin’ity atao anio ity ny fampisehoana natolotr’izy ireo ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina. Anisan’izany ny tao amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, teny amin’ny Zaridainan’Anosy, teny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy ary ity atao anio ity. Ankoatra ny fampialana voly, tanjon’ny hetsika ihany koa ny fanapariahana ity haikanto ity eny ifotony sy hanomezana sehatra ireo mpiangaly izany. Ampianatra sy hitondra ny fahaiza-manaony ho an’ny mpijery ihany koa ny ekipan’ny Aléas Circus, ankoatra ny fampisehoana.
Lin