Hopitalibe Toamasina : Roa miliara Ar hanamboarana lalana

Nampikaikaika ny maro ny haratsian’ny lalana mirefy 200 metatra, eo anelanelan’ny tobin’ny zandary sy ny hopitalibe Toamasina. Manoloana izany, nandray fepetra ny governoran’Atsinanana, tarihin-dRafidison Richard Théodore, handray an-tanana ny fanarenana ity lalana ity, amin’ny alalan’ny anjara volany, mitentina 2 miliara Ar avy amin’ny fanjakana.
Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ary ny tomponandraikitry ny tanànan’i Toamasina, omaly. Nilaza ny governora fa tsy ny halavan’ny lalana no jerena na ny halafon’ny manao azy, fa ny vokatsoa entiny.
Mampifandray ny hopitaly lehibe roa, ny CHU Ana­lankinina (Hopitalibe) sy ny CHU Morafeno, hopitaly ma­nara-penitra ity lalana ity. Ivezivezen’ny zandary sy ny tafika koa ity lalana ity sady mampifandray amin’ny arabe «Boulevard Ratsimilaho», misy ny toeram-pitsangantsanganana Miami eny amoron-dranomasina. Mampiasa ity lalana ity koa ny mpanjono rehefa handeha na miverina miandriaka.
Nanamafy ny governora Rafidison Richard Théodore, fa tsy anjaran’ny kaominina ihany ny fanatsarana sy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa eto amintsika fa an’ny daholobe.

Njaka A.

Partager sur: