Hotanterahina anio, etsy amin’ny HCC, ny lanonam-panjakana famoahana ny voka-pifidianana filoham-pirenena.
Tsy hiova firy amin’ny efa navoakan’ny Ceni ny hambaran’ireo mpitsara avo na eo aza ireo tsy fahatomombanana sy fitoriana.
Hisongadina eo amin’ny tapany voalohany amin’izany ny fitanisana ireo fitoriana na fitarainana miisa 15, arahin’ny valin’izany, ho entin’ireo mpitsara. Samy nametraka fitoriana tamin’iny fifidianana iny rahateo ny avy amin’ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, sy ny kandidà, laharaha faha-13, Randrianasoloniaiko Siteny. Mety hisy ny fanafoanana voka-pifidianana sasany ka hifandray na hiantraika amin’ny voka-pifidianana amin’ny ankapobeny izany na ho ampahany ihany aza.
Ho an’ny tapany faharoa amin’ny lanonana kosa ny famoahana ny isam-baton’ireo kandidà 13 ary hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny ho filohan’ny Repoblika, hitondra ny firenena amin’ny
5 taona manaraka.
“1er tour de vita”…
Na izany aza, mety tsy hiova firy amin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni na ho latsaka kely ny vato azon’ireo kandidà, havoaka, anio. Anisan’izany, i Andry Rajoelina, nibata ny 58,95% raha eo amin’ny faharoa, Randrianasoloniaiko Siteny, 14,40% ary nahazo ny vato 12,10% Ravalomanana Marc. Taham-pahavitrihana eo amin’ny 46, 36%.
Midika izany fa tsy hisy intsony ny fihodinana faharoa amin’ity fifidianana ity na hisy fiovana amin’ny ampahany aza ny vokatra havoakan’ny HCC. Ho “1er tour de vita”…
Tsiahivina fa anisan’ny nasaina hanatrika izao lanonana izao avokoa ireo kandidà sy ny masoivoho vahiny ary ireo sampandraharaha iraisam-pirenena eto amintsika. Ho hentitra sy hamafisina kosa ny fitandroana ny filaminana eny Ambohidahy sy ny manodidina ary koa ireo faritra mena.
Synèse R.