Jiolahy iray maty voatifitra rehefa niditra tao amin’ny faritry ny tranon’ny zandary iray miasa ao Maevatanana, afakomaly alina. Fantatra, araka ny fampitam-baovao nomen’ny zandary, fa trano roa no notafihan’izy ireo tamin’io alina io ka anisan’izany ny tranona zandary iray io. Henon’ilay mpitandro filaminana anefa izany ka voatifitra avy hatrany izy. Hita tao am-paosin’ity jiolahy ity ny finday amin’ny anaran’ny renim-pianakaviana iray monina ao amin’ny fokontany Anosikely/Avaratra, kaominina sy distrikan’i Maevatanana. Raha ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana tompon’ny finday, avy nanafika tao an-tranony, tamin’io alarobia alina teo io, ilay jiolahy ka lasany io findainy io. Nentiny ny entana sarobidy azo nobataina tao an-trano nandritra ny fanafihana. Nifindra tao amin’ny tranon’ilay zandary indray rehefa namaky io trano voalohany kanjo izao maty voatifitra izao. Taorian’ny fizahana, naterina ao amin’ny tranom-patin’ny hopitalin’i Maevatanana ny fatiny miandry ny fianakaviany. Anisan’ireo jiolahy efa mpanao fanafihana ao an-toerana izy ity raha ny fanampim-panazavana voaray.
J.C