Tratran’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Toamasina, omaly, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fisolokiana olona ao Soanierana Ivongo. Milaza ho mahay mampitombo vola sy mampanan-karena olona ry zalahy ireto. Mody mifampiresaka amina fanahy tsy hita maso ireto mpisoloky mba hampitomboana ny vola tadiavin’ireo olona solokiany. Miantso olona solokiany amina finday ry zalahy ka manao feona Dadarabe. Raha manontany ilay olona antsoina dia milaza ireo mpisoloky fa razana hitondra fahasoavana sy hampanan-karena anao no miantso anao. Rehefa vita ny fifampiresahana ka resy lahatra ireo voasoloky dia entin’izy ireo any anaty ala na amina toerana mangingina. Efa misy baoritra feno vola 5 000Ar marobe ahitana karazam-panafody sy lambamena, anaty lavaka
amin’ilay ala handehanana. Asain’ireto mpisoloky ireto jeren’ilay voasoloky izany. Asain’ izy ireo mandoa 5 000Ar saran’ny fahitana ireo voasoloky ka asainy miverina indray amin’ny manaraka mitondra volabe tiana hampitomboin’ny razana avo roa heny.
Lasa ny 50 tapitrisa Ar…
Ampidirina ao anatin’ilay baoritra indray izany, araka ny fanazavan’ireo voasoloky. Amin’ny fiverenana, ankoatra ny fitondrana volabe dia lazainy fa tsy maintsy midio tsara, mitondra tantely sy emboka manitra fa ilain’ny razana. Nitondra vola 20 tapitrisa Ar tamin’ny fiverenany faharoa ny olona iray voasoloky. Tsy vitan’izay fa mbola misy tsy maintsy alefa amin’ny tambajotram-pifandraisana amin’ny finday ka efa nandrotsaka 30 tapitrisa Ar indray ny tompom-bola. Vokany, 50 tapitrisa Ar no efa lasan’ireo mpisoloky.
Sajo/Jean Claude