Rabary Paul : “Notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana ny fifanolanana politika”

“Notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana ny adihevitra politika rehetra mety nampifanolana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, momba ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny fifidianana. Anisan’ny nampifanolana ny hoe: tokony hitondra firenena ve ny olona manana zom-pirenena hafa? Eo koa ny fitsarana ny amin’ny fitantanan’ny filohan’ny Repoblika: ne­ken’ny vahoaka. Faharoa: inona ny vina hitondrana an’i Madagasikara? Kandidà telo no sahy nijoro nitondra an’izay tamin’ny fifidianana teo, na 13 aza tokony ho nitondra ny vinany avy. Fotoana iray ahazoana mitondra vina ny fifidianana, ary amin’izay ny vahoaka no mijery. Notsarain’ny vahoaka ireo kandidà telo nitondra ny vinany.
Misaraka ny fifandanjan-kery politika amin’izao. Na iza na iza milaza ho tompon’ny vahoaka sy hery politika, ny fifidianana ihany no ahazoana mandanja an’izay. Tamin’ny fifidianana teo, nisy hery politika telo lehibe izay tsy nifandanja. Ny hery tarihin’ny filoha Andry Rajoelina no matanjaka indrindra. Betsaka amin’ny demokrasia ny fahazoana vato 58,95%. Faharoa, ny hery roa izay 30% latsaka kely ny fitambarany; farany, ireo kandidà tsy mihoatra ny 10% ny fitambaran’izy rehetra.
Misy tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena tonga eto amin’izao, mijery ny amin’izay hanampiana an’i Madaga­sikara mandritra ny dimy taona manaraka. Raha tsy misy lanjany ny fifidianana, tsy tonga eto ny tomponandraikitra amin’izay hamatsiam-bola an’i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: