Anisan’ny tantara tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny bagasy. Raha ny kaontinantan’i Eoropa no manavanana ny mpanakanto hanehoana ny talentany hatramin’izay. Niova izany, satria, nisafidy ny atsy Afrika i Mbosa sy i Mimi. Rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro (ora any an-toerana), ao amin’ny Hekim University Riara Road, hanakoako ao Nairobi Kenya ny bagasy. Hanatanteraka fampisehoana ao amin’io toerana io ireto mpanakanto sangany amin’ny kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly ireto. Hizara ny kolontsaina sy ny gadona bagasy. Hitondra ny rakikira sy ny Tiona Bagasy ho an’ireo rehetra liana amin’ny kanto. Hisongadina rahateo ny fifanakalozan-kevitra eo amin’i Mbosa sy i Mimi, andaniny ary ny mpanatrika ankilany.
Ankoatra ireo Malagasy monina any an-toerana, nanao antso ho an’ny rehetra izy ireo ho tonga. Manasa ny avy any amin’ny firenena manodidina an’i Kenya (Burundi, Rwanda, RDC…) i Mbosa sy i Mimi, ho avy. Fantatra fa tsy hisy ny vidim-pidirana.
HaRy Razafindrakoto