Karibotel – Zandry Gasy. Fotoan-dehibe ho an’ny tarika sy ireo mpankafy azy, satria izay indray vao ho hita an-tsehatra ry zalahy. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny seho, iarahana amin’ny Zandry Gasy amin’ny endriny vaovao. Niampy mantsy ny mpikambana ary nanantombo ihany koa ny hira vaovao, zay ho santionany amin’ireo voarakitra ao anatin’ny rakikira manaraka eo.
Piment Café – Rija Ramanantoanina. Tompon-trano tanteraka ity mpanakanto ity ao amin’ny Piment Café Behoririka. Andrasan’ny mpankafy hatrany koa anefa, ka ny tarika mihitsy no hiaka-tsehatra anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamelona ireo hira nahafantarana azy hatrizay, hiampy hiran’olona vitsivitsy ankafiziny manokana, i Rija, anio.
« Valim-babena » ao Antsirabe. Mpanakanto zoky sy zandriny, samy zanaky ny faritra no manome fotoana ireo mpankafy mozika, hizara valim-babena ao amin’ny Piscine Ranovisy, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hifandimby amin’izany ry Bekoto, Mamy Basta, Mbosa, Jacquis Randria ary i Toky AR. Haka endrika afon-dasy ny fiarahana.
“Takarivan’ny Kolontsaina”. Tanterahina anio, eny amin’ny Louvre Antaninarenina, ny hetsika « Takarivan’ny Kolontsaina ». Ho hita mandritra ity
hetsika ity ny filatroana hanasongadinana ny fiakanjo malagasy, ny fomba fitafy ary ny fampiasan’ny Malagasy fahiny ny lamba. Handravaka izany ny hira iarahana amin’ireo mpahay kanto miangaly gadona fahiny.