Tetikasa « Kanto Manabe »: tanjona ny hampiditra ny haikanto eo anivon’ny fampianarana

Amperiny tanteraka ny tetikasa “Kanto Manabe”, amin’izao fotoana izao. Sekolim-panjakana telo hatramin’izao no efa niseharan’ny tetikasa, ny LTPGCM Mahamasina, ny Lisea Jules Ferry Faravohitra ary ny Lisea Gallieni Andohalo.

Fampianarana momba ny haikanto, indrindra ny sary vita tanana, ny tantarany ary ny manodidina izany no hampianarina ao anatin’izany. Manampy ireo efa manan-talenta amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manaony ihany koa izao hetsika izao ankoatra ny fampianarana ireo ankizy eo anivon’ireo sekoly ireo.
Tanjon’ny tetikasa “Kanto Manabe”, ny hampiditra tsikelikely ny haikanto eo amin’ny sehatry ny fampianarana malagasy. Raha tsiahivina, efa nisy ny fampirantiana ny asa tanan’ireo ankizy niseharan’ny tetikasa, nandritra ny fampirantiana “Kanto Manabe” natao tao amin’ny Lapan’ny Tanà­nan’Antananarivo. Niainga ta­min’ny fanaovana antso avo tamin’ireo mpanatalenta maro samihafa ny tetikasa. Nisy ny fampitoviam-pijery nataon’izy ireo taorian’ny famalian’izy ireo ny antso. Taorian’izay vao niroso ta­min’ny fanatanterahana ny tetikasa, tamin’ny fandehanana teny anivon’ireo sekoly.
Ankoatra ny maha fialamboly azy, manabe ny mpianatra eny anivon’ny sekoly ihany koa ny haikanto, indrindra ny fa­naovana sary tanana. Manana anjara lehibe sy manampy amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ny haikanto. “Mahatonga ny ankizy halala-tsaina sy ho tia karokaroka ary hanam-paharetana ny fahafehezany manao sary tanana”, hoy Rakotoarinivo Manitra, matihanina amin’ny fanaovana sary tanana.

Lin

Partager sur: