« A la recherche des Betia »: hasongadina ireo vehivavy mpanjaka tsy be mpahalala

Omena sehatra manokana eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ireo vehivavy mpanjaka tsy dia be mpahafantatra teto Madagasikara. Fikarohana lalina no nataon’ Andriarimanjaka Dina Nomena, tomponandraikitry ny fampiran­tiana.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « A la recherche des Betia ». Seho ranty, iarahana amin’Andriarimanjaka Dina Nomena, laharana fahatelo, tamin’ny fifaninanana « Prix Paritana 2023 ». Ny tantara sy ny maha izy ireo mpanjaka­vavy tsy dia be mpahafantatra teto Madagasikara no ason­gadina sy haseho amin’ity fampirantiana ity. Nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 31 desambra 2023 ity hetsika izay atao eny amin’ny Fondation H Ambatomena ity.
Fampirantiana manokana, voalohany ho an’Andriariman­jaka Dina Nomena, taorian’ny fiofanana sy fikarohana nataony, amin’ny maha mpandre-sin’ny fifaninanana “Prix Pari­tana 2023” azy. Aseho amin’ny alalan’ny haikanto vita amin’ ny lamba sy akora maro samihafa ny tantaran’ireo vehivavy nanjaka teto Madagasi­kara. Tanjona ny haneho ny maha izy azy ireo. Anisan’iza­ny, An­drianjakamboniarivo Bi­nao, Mpanjakan’ny Sakalava Bemi­hisatra, mpanjaka anisan’ny nahay namorona paikady sy nitondra ny fanjakany.
Araka ny nambaran’ity mpa­hay kanto ity, anisan’ny sedra ho azy tamin’ny fanatante­rahana ny fikarohana ny tsy fahampian’ny raki-kevitra. Na dia teo aza anefa izany, nie­zaka hatrany Andriarimanjaka Dina Nomena namoaka ny haikantony araka ny zava-misy. Tsy nivaona tamin’ny tantara sy ny tena nisy anefa ny fampirantiana na dia teo aza izany ary vao mainka aza nampivoaka ny maha mpahay kanto azy.

Lin

Partager sur: