Ankizy Mozika Festival : homena sehatra ny kilonga

Any amin’ny taninketsa no volavolaina. Antom-pisian’ny hetsika “Ankizy Mozika Festival”, izay karakarain’ny CGM/GZ io. Hotontosaina ny alahady 3 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny andiany fahatelo amin’ ity. Fanomezana sehatra ireo kilonga milofo amin’ny mozika izy ity, mba hanehoan’izy ireo ny talenta miampy izay norantoviny tsirairay avy.
Ankizy mpianatra avy amin’ireo sekoly mampianatra mozika maro eto an-drenivohitra no handray anjara amin’ny fifaninanana. Anisan’ireny ireo avy ao amin’ireo sekoly samihafa toa ny an’i Mendrika Razafimahatratra, Amponga MDS, Iarivo Art & Music Academy, Soamiely Ampitatafika, Papa Liva Music, Casi Musik, LMM, Centre Alabri Miarinarivo, sns. Eo koa ireo tsy mifaninana fa haneho ny talentany sy hanafana ny sehatra fotsiny. Nasain’ny mpikarakara manokana, hifampi­zara amin’ireto kilonga manan-talenta ireto i Nini ao amin’ny tarika Kiaka.

Zo ny Aina

Partager sur: