Namoaka fanambarana ireo avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ahitana ny avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny solontenan’ny Frankofonia (OIF), ny masoivohon’i Alemaina, Korea, Etazonia, Frantsa, Japon, Royaume-Uni ary i Soisa.
Nankato ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC avokoa izy ireo. Na izany aza anefa, niantso ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izy ireo hitondra fitoniana. “Tokony hojerena miaraka amin’ny fifampidinihana koa ny hanatsarana ny fifidianana manaraka ho avy eo : ny fifidianana solombavambahoaka sy ny eny anivon’ny kaominina”, hoy izy ireo.
Tokony handraisana fepetra koa ireo fanitsiana sy lesoka rehetra nambaran’ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny iraisam-pirenena sy ny avy eto an-toerana. Tafiditra ho amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana sy ny lafiny lalàna izany, araka ny nambaran’izy ireo.
Etsy andaniny, naneho fahavononana ho amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny filoha Rajoelina Andry sy ny vahoaka malagasy ireto mpiara-miombona antoka ireto. Takin’izy ireo koa anefa ny hizoran’ny fampandrosoana maharitra nefa tsy manilika ny hafa. “Ho ao anaty fitoniana sy ny fanajana tanteraka ny zon’olombelona izany”, hoy ihany ny sehatra iraisam-pirenena.
Niaiky izy ireo fa nandalo toe-draharaha mafampana ny firenena teo aloha teo ka tokony hojerena anatin’ny fifampidinihina avokoa izany.
Synèse R.